CISCO ATSIMONDRANO

Efa vita hatrany amin’ny 70% ny fandaharam-pianarana


  • Alakamisy 11 Aprily 2024

Taorian’ny fialan-tsasatry ny Paska dia efa saika niditra tamin’ity herinandro ity avokoa

ny ankamaroan’ny mpianatra rehetra manerana ny Nosy hiatrika ny roa volana fahaefatra ho an’ny taom-pianarana 2023-2024. Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano dia efa vita hatrany amin’ny 70% ny fandaharam-pianaran’izy ireo amin’izao. Ezahina hovitaina amin’ity volana Aprily ity mandray volana Mey ny ambiny raha araka ny fanazavana azo mba hahafahan’ireo mpianatra miditra tanteraka ao anatin’ny famerenana. Tanjona amin’izany hoy hatrany ny tompon’andraikitra ny mba hahafahana manatsara sy mampiakatra hatrany ny voka-panadinana ho an’ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy ny BEPC. Tsy latsa-danja amin’izany ireo hiatrika ny fanadinana fifindran-kilasy. Tsiahivina moa fa sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana maro no efa mamaramparana ny famitana ny fandaharam-pianarany amin’izao koa miantso ireo Ray aman-dReny mba tsy hanao hatsirambina ny fandoavana ny saram-pianarana. Amin’ny ankapobeny mantsy dia mbola marobe ireo tsy mahaefa izany ara-dalana ho an’ny sekoly tsy miankina izay mbola mihoatra ny 50% hatrany, raha araka ny fanadihadiana.
Pati
Legende : Volana roa sisa dia hiatrika ny fanadinam-panjakana indray ny kilonga madinika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT