CISCO ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Rahampitso Alarobia vao hiverina hianatra ny mpianatra


  • Talata 18 Febroary 2025

Niato nanomboka omaly Alatsinainy 17 Febroary ny fampianarana eo anivon’ny fari-piadidiam-

pampianaran’Antananarivo renivohitra, DREN Analamanga. Vokatry ny ora-mikija tsy miato ka nahatafiditra ny tanana rehetra ho ao anatin’ny faritra mena no nandraisan’ireo komity izany fanapahan-kevitra izany. Ankoatra ny fihotsahan’ny tany dia atahorana mafy amin’ny haavon’ny rano ny ain’ny mpianatra toy ireo mandeha sy miampita lakana. Tsy latsa-danja amin’izany ireo tsy maintsy mandeha tetezana …hamonjy sekoly. Rahampitso Alarobia 19 Febroary moa vao mety hiverina ny fampianarana, miankina amin’ny zava-misy isaky ny sekoly. Ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Atsimondrano moa dia fantatra fa saika tsy mianatra ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina amin’ity herinandro ity. Fambolen-kazo no nisantaran’izy ireo izany omaly Alatsinainy 17 Febroary ho an’ny Lisea Les Seraphins hitohy amin’ny fakana aina kely hatramin’ny Zoma 21 Febroary.
Pati
Legende : Miato aloha ny fampianarana eto anivon’ny DREN Analamanga !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT