CEPE TAO TALATAMATY

Mpiadina miisa 1.230 no nozaraina bisikoitra


  • Alarobia 19 Jona 2024

Manao ho zava-dehibe ny sehatry ny Fanabeazana ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

Lohalaharana amin’izany ny fanatsarana ny voka-panadinana amin’ny alalan’ny fanohanana ny mpianatra toy ny nataon’izy ireo omaly Talata 18 Jona, fotoana nanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny Nosy. Mpiadina miisa 1.230 avy amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana tao an-toerana omaly no notoloran’ny Ben’ny tanana sy ny ekipany bisikoitra natao ody ambavafo. Vao maraina izy ireo dia efa nitety ireo foibem-panadinana miisa 5 nanolotra izany nahitana ny CEG Talatamaty, EPP Talatamaty, Flambeau, Fanoellie ary ny St Jean Ba. Tanjon’ny kaominina moa ny hamporisihina ireo mpiadina hanao ny tsara kokoa hatrany. Tsiahivina fa mahazo fitaovana ireo mpianatra izay tsara naoty indrindra niatrika CEPE sy BEPC ao Talatamaty raha ho entina mitsangatsangana any amin’ny faritra kosa hiantohana ny rehetra ireo izay afa-panadinana Bakalorea ka tena nahomby.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic niaraka tamin’ireo mpiadina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT