CEPE TAO AMIN’NY CEG ALASORA

Nahatratra 30 isa ireo mpiadina tsy tonga


  • Alarobia 18 Jona 2025

Nahatratra 30 isa ireo mpiadina tsy tonga nanatrika ny fanadinam-panjakana CEPE omaly Talata 17 Jona

ho an’ny foibem-panadinana CEG Alasora, distrikan’Avaradrano. Raha araka ny nambaran’ny lehiben’ny foibem-panadinana Rakotomandimby Ferdinand dia nihena io isa io raha oharina tamin’ny taon-dasa. Nahatratra 1.550 isa araka izany ireo mpiadina tonga raha mitontaly 1.583 izy rehetra. Na izany aza dia tsy nisy mihitsy kosa ireo nanadino ny taratasy fiantsoana sy ny carte d’identite. Tsy nisy ihany koa ireo narary na nanana olana hafa. Efa tena nivonona tamin’ny fiatrehana ny fanadinana CEPE ny mpiadina sy ireo Ray aman-dReniny raha araka ny fanazavany hatrany. Nilamina araka ny tokony ho izy araka izany ny fanadinam-panjakana CEPE notanterahina tao amin’ity foibem-panadinana iray ity niampy ny tao amin’ny sous centre Saint Laurent eny Alasora ihany. Tsiahivina fa mitontaly 571.367 ny isan’ireo mpiadina rehetra niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE omaly manerana ny Nosy. Ny taranja operation, probleme, SVT no nisantaran’izy ireo izany ny maraina raha ny taranja Malagasy sy Frantsay ary Jeografia kosa no namaranany azy omaly hariva.
Pati
Legende : Rakotomandimby Ferdinand, lehiben’ny foibem-panadinana ceg Alasora !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT