Fampianarana

CEPE sy BEPC 2017 Maimaimpoana ny fisoratana anarana


  • Alakamisy 02 Martsa 2017

Tsy misy saram-pisoratana aloa amin`ny fanadinam-panjakana CEPE SY BEPC taom-pianarana 2016-17.



Efa nanterin`ny tompon`andraikitry ny fanabeazana izany tamin`ny fihaonany tamin`ireo talen`ny sekoly tsy miankina raha vao nanomboka ny taon-tsekoly. Nahagaga anefa fa mbola nisy ihany ny fanangonana vola 1.500 ariary isaky ny mpianatra hanala CEPE ary 3.000 ariary isaky ny mpianatra hanala BEPC tao amin’ny faripiadidiam-pampianarana Atsimondrano. Mitaky ny hamerenana ilay vola ny ray aman-dreny sy ny tale maro nefa misy tompon`andraiki-panjakana toy ny talen`ny CEG sasany manamafy fa tokony hatao io fitakiam-bola io fa tsy misy ny vola natokana hikarakarana ny fanadinana.
Nambarany fa tsy hisy fanadinana handeha eo raha haverina io vola io. Inona no marina ? Tena tsy manam-bola ve ny fanjakana fa miteniteny foana sa ny tompon`andraiki-panjakana aty ambany no te hikirakira vola amin`ny tsy marina ? Mazava mantsy ny voalaza fa tsy misy vola aloan`ny mpianatra. Raha ny saran`ny hajia 400 ariary angamba dia azo ekena fa ny ankoatr`izay dia tena tsy izy sady famitaham-bahoaka. Fa maninona no ifandroritana ?

Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT