CEPE mahagaga tao Mahajanga II

Mpianatra tsy tao anaty lisitra no nasolo ireo tsy tonga


  • Alatsinainy 23 Jona 2025

Taorian’ny fanadinam-panjakana CEPC farany teo, dia niseho tao amin’ny Cisco Mahajanga II

ny tranga mampiahiahy izay manohintohina mivantana ny fahatokisan’ny vahoaka amin’ny rafitra fanabeazana, araka ny fitarainan'ireo Ray aman-dReny. Ankizy efatra tsy voasoratra ao anaty lisitra tokony hanao fanadinana sady tsy manana "Numéro matricule" akory no tadiavin-dry zareo hasolo ankizy efatra tsy tonga nanatrika fanadinana CEPE teo, raha ny fanairana. Marihina entoana fa ny trangan-javatra toy zao dia efa miseho foana isaky ny fanadinam-panjakana ao amin'ny CISCO Majunga II, hoy ny fanairana. Manitsakitsaka ny zôn’ny ankizy. Ambaran'ireo Ray aman-dReny fa mandika ny fitsipika mifehy fanadinam-panjakana, ary mandrava tanteraka ny fitokisana amin’ny fanabeazana. Manahy mafy izahay Ray aman-dReny sy vahoaka sao hisy fiantraikany ratsy amin’ny fanadinana nasionaly ho avy (BEPC, Bakalorea) izany, raha tsy misy fepetra hentitra raisin’ny Ministera, hoy izy ireo. Mangataka amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena izahay mba: hijery akaiky sy haingana ny raharaha, hanao fanadihadiana lalina sy mangarahara, handray fepetra hentitra manoloana ny tompon’andraikitra, hiaro ny fahadiovan’ny BEPC sy BACC 2025, hoy izy ireo. Tsy ekena intsony, hoy hatrany izy ireo, ny tsy rariny amin’ny fanabeazana. Miaro ny fahamarinana isika ary Miaro ny hoavintsikan’ireo zanantsika, hoy izy ireo. Ny serasera nataon'ny CISCO moa dia nolazaina fa tara ny kopian'ireo zaza nasisika ireo. Tsy azo nalamina nialoha ve ny famenoana kopia miandalana dia naiditra tao anaty lisitra ara-dalana ireo mpianatra mba nahafahany nanana numéro matricule ara-dalana? Lasa mampitombo ny ahiahina kolikoly !
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT