Fampianarana

CEPE eny Atsimondrano Vao foibem-panadinana 6 amin’ny 26 no nahavita dosie


  • Alakamisy 16 Martsa 2023

Hifarana amin’ny 24 martsa ho avy izao izany hoe : afaka valo andro ny fanaterana ny antontan-taratasin’ny mpiadina rehetra amin’ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny Nosy.

Ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana eny Atsimondrano manokana dia fantatra fa vao foibem-panadinana miisa 6 amin’ny 26 misy no nahavita nanatitra izany tanteraka. Mbola taraiky kosa ny ambiny. Na izany aza dia ny 60%n’ireto farany no efa an-dalam-pahavitana. Nitombo hatrany amin’ny 10% araka izany ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona 2023 ity ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano hatrany ka 7 taona no zandriny indrindra hoy ny loharanom-baovao. Hatreto dia saika miketrika ny amin’ny hahatafavoaka ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE ao aminy ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana eny an-toerana. Ho an’ireo sekoly sasany dia efa hiatrika ny fanadinana andiany fahaefatra hitsapana ny fahaizan’ireo mpianatra izy ireo izay marihina fa hatao ampahibemaso mihitsy ny famoahana ny vokatra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT