CEPE Blanc

Hotanterahina rahampitso talata ny andiany faharoa


  • Alatsinainy 03 Jona 2024

otanterahina rahampitso talata 04 jona ny fanadinana CEPE andrana andiany

faharoa amin’ity taona 2024 ity mialohan’ny hanatanterahana ny tena fanadinana izy amin’ny datin’ny 18 Jona ho avy izao. Ny fari-piadidiam-pampianarana na ny CISCO no hikarakara azy ity raha efa vita ny anjaran’ny ZAP. Tsiahivina moa fa ny taranja kajy sy ny laza olana ankoatra ny frantsay no mbola tena olan’ireo mpiadina hatreto. Na izany aza fantatra fa efa samy nanao ezaka avokoa ny sekoly isanisany izay fantatra fa efa saika nahavita ny fandaharam-pianarany avokoa.
Ho an’ny fanadinana CEPE tena izy moa dia fantatra fa mpiadina miisa 529 000 manerana an'i Madagasikara no hiatrika izany amin’ ny Talata 18 jona ho avy izao, izay hiparitaka amin'ny foibem-panadinana miisa 2 057 sy trano fianarana 14 925 isa. Nahitana fiakarana 3% ny isan'ny mpiadina ho an'ity taom-pianarana 2023-2024 ity. Fepetra maro no noraisin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena hanamafisana ny fiambenana ny laza adina hatreto izay hiarahana miasa amin'ny mpitandro ny filaminana, hanatontosana amin'ny antsakany sy andavany ny fanadinana. Handraisana fepetra entitra sy henjana araka izany ireo izay minia manakorontana ka mety hiteraka tsy fahatomombanan'ny fanadinana.
Pati
Legende : Efa vonona tahaka izao ny ankamaroan’ireo mpiadina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT