Fampianarana

CEPE - Adina manokana 2018 Hivoaka amin’ity faran’ny herinandro ity ny vokatra


  • Zoma 31 Aogositra 2018

Tsy haharitra ela fa amin’ity faran’ny herinandro ity ihany dia hivoaka amim-pomba ofisialy ny voka-panadinana CEPE adina manokana na “session spéciale 2018” notanterahina tany amin’ireo foibem-panadinana miisa 15 tsy nahavita izany ny aalata 28 aogositra teo.

 

 


Raha ny fanadihadiana natao teo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena dia nizotra tamim-pilaminana ny fanadinana. Nifanome tanana nanatontosa izany niaraka tamin’ity minisitera ity ny mpitandro ny filaminana. Tany amin’ny distrikan’Anosibe an’Ala avokoa ny 14 isa tamin’ireo foibem-panadinana ireo raha tany amin’ny distrikan’i Sambava kosa ny iray ambiny. Mikasika ny fanadinana BEPC izay hotanterahina manomboka amin’ny alatsinainy ho avy io dia fantatra fa vao mainka hihamafy ny fitandroana ny fandriampahalemana. Miisa 28.013 ireo kandida hiatrika izany ho an’Antananarivo Renivohitra, mitsinjara amina foibem-panadinana miisa 40 sy efitranom-panadinana 661 isa. Efa manomboka amin’ny fikarakarana ny efitrano handraisana ireo mpiadina ireo tompon’andraikitra hatramin’ny omaly nahazoana ny vaovao toy ny fanoratana ny nomeraon’ny ankizy amin’ny latabatra…

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT