CEPE 2026

Nanampy betsaka ireo


  • Alarobia 17 Jona 2026

mpanala fanadinana ny Polisim-pirenena

Nanampy betsaka ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE omaly ny Polisim-pirenena. Ankoatra ny asa fiarovana ny fandriam-pahalemana tamin’ireo ivontoeram-panadinana isanisany, ny fanampiana ireo Ray aman-dTeny sy mpianatra amin’ny fandraisana taxibe, ny fametrahana Polisy teny an-dalana rehetra nandrindra ny fifamoivoizana dia nizara ody am-bava fo ho an'ireo mpianatra manala fanadinana CEPE tao amin'ny Lisea Moderne Ampefiloha na ny LMA koa ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny Polisim-pirenena. Nitondra ny teny firarian-tsoa sy fankaharezana ho an’ireo mpanala ny fanadihanana CEPE rehetra nanerana ny Nosy koa ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, mba hitozo hatrany amin’ny fianarana ary ho tonga olom-pirenena vanona hampandroso an’i Madagasikara. Nilamina ny fizotry ny fanadinana CEPE teto an-drenivohitra noho izany vokatry ny ezaka nataon'izy ireo.
Pati
Légende : Ny asa nataon'ireo Polisim-pirenena omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

  • CEG Ambolo
  • Alakamisy 11 Jona 2026

Talata Volonondry

Hijery ny tohiny
FTT