Fampianarana

CEPE 2021 Ny taranja tantara no tena nampikolay ireo mpiadina


  • Alarobia 07 Jolay 2021

Ny taranja tantara no tena nampikolay ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE omaly talata 06 jolay raha mora tsy araka ny nanampoizana azy kosa ny laza olana raha araka ny fanazavan’ireo mpiadina.

 

Anisan’ny nanadinana azy ireo tamin’izany ny anaran’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona raha araka ny fantatra hatrany izay betsaka no tsy nahavita namaly izany. Na izany aza anefa dia manantena ny ho afa-panadinana avokoa ny ankamaroan’ireo kilonga madinika. Ho an’ny foibem-panadinana tetsy amin’ny Ceg Antanimena manokana dia miisa 23 ireo mpiadina tsy tonga raha miisa 2036 ireo mpiadina voasoratra anarana ka anisan’ireny ireo niatrika izany tao amin’ny EPP Antanimena sy ny SFX Antanimena. Somary nanana olana kely izy ireo tamin’ny laza adina tsy ampy ho an’ny TFM saika nahitam-bahaolana ihany izany ka nizotra araka ny tokony hoy izy ihany ny fanadinana. Ho an’ireo mpiadina nanadino na very taratasy fiantsoana kosa dia fantatra fa nomena dika nitovy tamin’izany izy ireo ka afaka niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE soa aman-tsara ihany koa.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT