CENTRE AKANY MIVOY

100% ny taham-pahafaham-panadinana CEPE sy BEPC


  • Alarobia 22 Jolay 2026

Fahombiazana tanteraka ny

taom-pianarana 2025-2026 ho an'ny Centre Akany Mivoy mitaiza ankizy tsy manam-piahy eto Antananarivo renivohitra. 100 % ny taham-pahafaham-panadinana CEPE raha 100 % toraka izany ihany koa ny BEPC. Mpiadina iray no niatrika izany ho an'ity farany ka afaka soa amantsara. 74 % kosa ireo nifindra kilasy. Nankasitraka feno ireo mpiara-miombon'antoka rehetra ireo Ray aman-dRenin'ny mpianatra sy ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Centre noho izany. Anisan'izany ny kaominina Antananarivo renivohitra, ny Néa Madagascar, ASMAE, AIC, KOZAMA , Fondation Mérieux, Région Île de France, ny ekipan'ny EPP Anosibe....Samy nanao izay vitany mantsy izy ireo tamin'ny famatsiana fitaovana ny centre nampianarana ireo zaza tsy manan-tsiny an-jatony ireo. Toraka izany koa ny fitafiana, indrindra fa ny sakafo nohanina isan'andro nahafahan'ireo mpianatra nifantoka tanteraka tamin'ny fianarany. Tsiahivina fa efa taona maro no nijoroan'ny Centre Akany Mivoy teto amintsika. Ankizy an-jatony isan-taona no karakarainy sy beaziny avy amin'ny Boriborintany 6 eto Antananarivo renivohitra.
Pati
Légende : Mitaiza ankizy madinika ihany koa ny Akany Mivoy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT