Fampianarana

CEG Soamalaza Antsirabe Efa hirodana, jeren’ny fanjakana fotsiny


  • Alatsinainy 11 Jolay 2022

Efa madiva hirodana ny CEG ao Soamalaza, distrikan’Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra. Hatreto raha araka ny loharanom-baovao

azo dia mbola tsy nisy mihitsy ny fandaharan’asa avy amin’ny fanjakana mba hikolokoloana na hanamboarana azy io. Mbola maro amin’ireo mpianatra ao an-toerana anefa no tsy tafiditra an-tsekoly isan-taona ka mampitaraina fatratra ireo Ray aman-dReny. Hetahetan’ireto farany araka izany ny tokony hijerena akaiky ny hanamboarana ity sekoly ambaratonga faharoa ity. Nambaran’ireo mponina ao an-toerana moa fa anisan’ny tanana manana Ray aman-dReny tia mampiana-janaka ny ao Soamalaza. Noho izay tsy fahampian’ny foto-drafitrasa handraisana mpianatra izay anefa dia misy amin’ireto farany no lasa mirenireny tsy fidiny, tranga izay mampitombo ny salan’isan’ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly eto amintsika.
Pati
Legende : Efa hirodana tahaka izao ilay CEG
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT