Fampianarana

CEG Nanisana Miato indray ny fampianarana


  • Zoma 10 Martsa 2023

Miato indray ny fampianarana eo anivon’ny CEG Nanisana, Antananarivo renivohitra. Mitokona tsy mety manohy ny

fampianarana indray mantsy ireo mpampianatra sy mpandraharaha ao an-toerana noho ny mbola tsy nandoavan’ny fitondram-panjakana ny tambin-karamany tamin’ny fitsarana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC nandritra ny efa-taona. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpampianatra iray dia nanomboka ny taona 2019 no niainan’izy ireo izany ka hatramin'ny taona 2022. Mahatsiaro ho leo izy ireo araka izany. Efa manakaiky indray mantsy ny fanadinam-panjakana CEPE taona 2023. Ankoatra izay dia mitaky ny hanendrena ny tale mpisolo toerana eo anivon’ity CEG ity ho tale raikitra ihany koa ireo mpampianatra sy mpandraharaha ao an-toerana. Nilaza moa izy ireo fa tsy hiverina hampianatra raha tsy mivaly ny fitakiany. Eo an-daniny kosa dia velon-taraina fatratra ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra noho ny fahabangan’ny fotoana tsy hianaran’ireo menaky ny ainy. Nandritra ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19 aza hoy izy ireo efa tsy fidiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fitokonana notanterahin’ireo mpampianatra sy mpandraharaha
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT