CEG BETSIMITATATRA 67 HA

Tsy ampy ny laza adina Jeografia, tara ny fanombohana


  • Alarobia 19 Jona 2024

Mbola misy lesoka hatrany ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana eto amintsika.

Raha tamin’ny fanadinam-panjakana Bakalorea no nahitana izay nibaribary tamin’ny taon-dasa dia tany amin’ny fanadinam-panjakana CEPE indray tamin’ity taona ity. Tsy ampy ny laza adina Jeografia tokony natrehin’ny mpiadina rehetra omaly hariva tao amin’ny foibem-panadinana CEG Betsimitatatra 67ha. Tsy maintsy niandry ny fahatongavan'ny laza adina ny mpiadina rehetra noho izany vao afaka nanomboka. Tamin'ny 4 ora hariva arak'izany vao nanomboka ny taranja Jeografia hany ka taraiky ny fivoahan’ny mpiadina. Raha tokony nirava tamin’ny 04 ora sy sasany tany ho any izy ireo dia tamin’ny 06 ora latsaka ny sasany vao tafavoaka hany ka nitebiteby fatratra ny Ray aman-dReny. Soa ihany anefa fa marobe ireo niandry ny zanany teny an-toerana mandrapaharivan’ny andro saingy ny fitadiavana taxibe nodiana indray no tena nanahirana ho an’ireo izay tena tsy maintsy mila izany. Efa tsy milamina rahateo ny fandriampahalemana eto amintsika. Nambaran’ireo naneho hevitra tamin’ity tranga ity moa fa efa karazan’ny fanaovana tsinontsinona ny fanabeazana eto amintsika mihitsy ny tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Tratra hariva tahaka izao avokoa ireo kilonga madinika niatrika CEPE tao amin’ny CEG Betsimitatatra 67 ha !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT