Fampianarana

CEG ANTANIMBARINANDRIANA Nahatratra 20 ireo mpiadina BEPC tsy tonga


  • Talata 10 Septambra 2019

Miisa 20 ireo mpiadina tokony hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC no tsy tonga namonjy izany omaly, andro voalohany tetsy amin’ny CEG Antanimbarinandriana.

  Telo kosa no nanadino ny taratasy fiantsoana ary ny iray very. Ho an’ity farany dia efa nisy ny fepetra noraisin’ny sekoly niaviany izay nanao taratasy ho azy manokana raha ny fantatra. Ho an’ireo nanadino dia nasaina naterin’ny ray aman-dreniny omaly folakandro. Nanomboka ara-potoana ny fanadinana ho an’ity foibem-panadinana iray ity raha araka ny fanazavan-dRtoa Ravololomanana Lanto. Tamin’ny 07 ora sy sasany maraina tsy diso no nanomboka ny fiantsoana anarana ary nanomboka tamin’ny 8 ora ny fizarana ny laza adina. Ho an'ny tetsy amin'ny lycée Jules ferry Faravohitra manokana dia ankizy miisa 807 no fantatra fa tokony hiatrika izany raha toa ka miisa 20 kosa ireo tsy tonga niatrika fanadinana noho ny antony maro samy hafa. Mikasika ireo tsy tonga omaly moa dia fantatra fa tsy afaka manohy intsony izy ireo noho ny naotiny amin’ireo taranja roa tokony ho natrehiny efa 0 avy. Omaly ihany moa dia efa naterina eny amin’ny foibe hanaovana ny fitsarana ny fanadinana eny amin’ny Lisea Rabearivelo ireo taratasim-panadinana nisy ny taranja Malagasy sy ny SVT vita omaly. Tsy mbola fantatra kosa izay fotoana hanombohan’ny fitsarana. Ny taranja matematika sy frantsay indray no hatrehin’ireo mpiadina anio talata.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT