CEG Ambolo

Talata Volonondry


  • Alakamisy 11 Jona 2026

Vita ny fanorenana sekoly sy

fanavaozana nataon’ny Faritra Analamanga
Natao omaly 10 jona tao amin’ny fokontanin’Ambolo, Kaominina ambanivohitra Talata Volonondry, Distrika Antananarivo Avaradrano, ny lanonam-pitokanana ireo asa miompana amin’ny fanabeazana notanterahin’ny Faritra Analamanga. Trano fianarana vaovao misy efitra telo no naorina nanomboka ny volana septambra 2024 ary efitra roa nohavaozina nanomboka ny volana oktobra 2024. Ireo asa ireo dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa efa nomanin’ny fanjakana saingy tsy voaloan’ny fitantanana teo aloha, toy ny fotodrafitrasa 21 hafa, ka nanamafy ny Lehiben’ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, fa tsy maintsy hefaina avokoa. Talohan’izao fanorenana izao dia voatery nianatra tao amin’ny Tranompokonolona ireo mpianatra 117 ao amin’ny CEG Ambolo, izay CEG faharoa ao anatin’ny kaominina. Mpampianatra 13 no manabe azy ireo, ka mbola karamain’ny FRAM ny dimy amin’ireo. Nanao antso ny Talen’ny CEG Ambolo, RAKOTONIZAO Rovasoa Edouard, mba handraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM. Manomboka izao dia afaka handray fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy BEPC ny CEG Ambolo. Tamin’ny taom-pianarana lasa dia nahatratra 85% ny taham-pahafahana BEPC, ary 80% tamin’ireo mpianatra tafiditra avokoa eny amin’ny lisea Talata Volonondry. Apetraky ny Faritra Analamanga ho laharam-pahamehana ny fananganana fotodrafitrasa momba ny fanabeazana. Voalaza fa hanomboka tsy ho ela ny fanorenana lisea vaovao any amin’ireo kaominina lavitra lisea kanefa manana taham-pahafahana ambony amin’ny BEPC. Nitarika ny lanonam-pitokanana androany ny Lehiben’ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, niaraka tamin’ny Solombavambahoakan’Antananarivo Avaradrano, ANDRIAMOSA Avotra, ny lefitry ny distrika, ny Ben’ny tanàna mpisolo toerana RAKOTONIRINA Tojo, ary ireo mpitantana eo anivon’ny CEG Ambolo sy ny ZAP Talata Volonondry.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT