Fampianarana

CEG Amboatavo Itaosy Nahazo solosaina hampianarana informatika ny mpianatra


  • Zoma 20 Aprily 2018

Nahazo solosaina feno miisa dimy avy amin’ny Consulat de Monaco omaly ny CEG eny Amboatavo, kaominina Ambavahaditokana distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Tonga nanolotra izany teny an-toerana Rtoa Niry Rabemananolontsoa,

 

 filoha lefitry ny  Consul de Monaco izay nanazava fa tafiditra ao anatin’ilay tetikasa  solosaina  izay efa notanterahin’izy ireo hatramin’ny taona 2005 izao  ezaka fanampiana izao. Sekoly miisa 200 hatreto no efa nahazo tombontsoa tamin’izany teto Antananarivo raha mihoatra ny 1.000 isa kosa solosaina efa nozaraina. Tanjon’ny mpanome ny hanatsarana ny fahaizan’ny mpianatra mikirakira solosaina, indrindra amin’izao vanim-potoana hiainantsika izao. Nambaran’ny talen-tsekoly  Rabesandratana Seraphins moa fa ireo mpianatra ao amin’ny taona fahafito no tena hahazo tombontsoa amin’ny fampiasana ireo fitaovana ireo aloha amin’ity taom-pianarana ity. Hiitatra amina kilasy hafa izany amin’ny taona ho avy. Mbola manana olana amin’ny resaka foto-drafitrasa mantsy izy ireo ka anisan’ireny ny tsy fahampian’ny efitranon-tsekoly hianarana. Toraka izany koa ny resaka mpampianatra  izay miisa 19 saingy handeha hisotro ronono ihany koa ny efatra amin’ity taona 2018 ity. Miisa 557 moa ireo mpianatra manovo fahalalana ao amin’ny CEG Amboatavo ankehitriny raha 13 kosa ireo mpandraharaha.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT