Fampianarana

Carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi Tanora maherin’ny 10.000 no andrasana hitsidika azy


  • Alarobia 27 Jolay 2022

Raikitra ilay hetsika Carrefour de la formation, des metiers et de l’emploi andiany faha-6 karakarain’ny CGM na ny Goethe Zentrum Antananarivo etsy amin’ny Alliance Francaise Andavamamba.

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly izany, haharitra 5 andro ka anisan’ny tanjona ny hanomezana fiofanana ireo tanora efa nahavita fianarana na koa ireo vao avy niatrika ny fanadinam-panjakana bakalorea farany hanatsarana sahady ny tontolon’ny asa hatrehiny atsy ho atsy. Tanora maherin’ny 10 000 no kendrena ho avy hitsidika ny hetsika raha 8 000 isa teo ho eo izany tamin’ireo andiany maromaro teo aloha ka antsoina ho avy hatramin’ireo mpianatry ny lisea. Hanampy tosika ity hetsika ity ny minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa. Manana ny rafitra entina hanohana sy hanampiana ny tanora amin’ny alalan’ilay vovonana hanampiana ny tanora izy ireo, tohanan’ny birao iraisam-pirenena momba ny asa. Hizara roa mazava tsara io dimy andro io ka ny 3 andro voalohany hiompana amin’ny fampiofanana sy fifanankalozana raha natao hampiratiana ireo orinasa sy mpandraharaha maro samihafa kosa ny 2 andro ambiny. Hisy avy hatrany mandritra izany ny fandraisana antontan-taratasy ho an’ireo vonon-kiasa izay hosantarina amin’ny alalan’ny fanaovana entretien.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT