Fampianarana

« Carrefour de la formation, des metiers et de l’emploi » Hisy tolotr’asa ho an’ny olon-dehibe


  • Alarobia 18 Jolay 2018

Hotanterahina ny 27 sy ny 28 jolay ho avy izao etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba ilay hetsika “Carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi” andiany faharoa karakarain’izy ireo.

 
Tranoheva manodidina ny 60 isa no handray anjara ao . Araka ny fanazavan-dRtoa Rindra Dupree, tompon’andraikitra eo anivon’ny AFT Andavamamba dia ny hahafahana manampy ireo tanora afa-panadinana Bakalôrea vonona ny hiditra eo amin’ny sehatry  asa na koa hampitombo ny fahalalana sy ny traikefa hananany no tanjona. Maro ireo karazana paikady hampahafantarina azy ireo mandritra izany toy ny fahaizana sy fifehezana ny tenim-pirenena vahiny izay hananan’ny AFT traikefa tsara, ny fomba fandrafetana ny taratasy fangatahan’asa eny anivon’ny orinasa… Fa anisan’ny hampiavaka ity andiany ity, raha araka ny fanazavana azo hatrany ny fisian’ny tolotr’asa ho an’ireo olon-dehibe. Tafiditra ao anatin’izany ireo te-hanana asa ambonimbony kokoa noho ny efa niainany teo aloha, entina hanatsarana ny fari-piainany. An’arivony moa ireo olona andrasana ho avy  hitsidika ny hetsika mandritra ireo roa andro ireo.

 

Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT