Cantine Scolaire”-n’ny EPP

Ambodivondava


  • Alatsinainy 04 Desambra 2023

Manao tantsoroka hamatsiana azy ny Grande Motte

Mila vola mitentina 70 tapitrisa Ariary isan-taona ny famatsiana ny “Cantine scolaire” ao amin'ny EPP Ambodivondava, ary ny Alatsinainy ka hatramin'ny Zoma no misakafo atoandro any an-tsekoly ireo mpianatra manodidina ny 350 ao. Nisy ny faran’ny herinandro teo ny fampisehoana tao amin'ny Centre Culturel Grande Motte, Kaominina any amin’ny departemantan’i Hérault any Frantsa, nataon'ny antoko mpihira "Les Ans'Chanteurs" avy ao Lattes, ary nokarakarain'ny Association Zazakely Alasora Ambodivondava. Izao no natao dia mba hitadiavana ny ho enti-manana, hamatsiana ny "Cantine scolaire” ao amin'ny EPP Ambodivondava. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Ben'ny tananan'i Grande Motte sy ny Ben'ny tananan'i Alasora, Randriantsoa Jimmy. Marihina fa efa hatramin'ny volana feboary 2010 no nisian'ny “Cantine scolaire” ao amin'ny EPP Ambodivondava, ary ny volana oktobra 1998 no nisokatra ny sekoly izay ny Association Zazakely no nanampy ny Kaominina sy ny Fokonolona tamin'ny fanatanterahana ny asa fanamboarana ny tranon-tsekoly. Angady nananana sy vy nahitana izany rehetra izany Ramatoa Noromalala Martinet, izay avy ao Ambodivondava no fiaviany, sy Alain Martinet vadiny. Mankasitraka feno ny ezaka ataon'izy ireo amin'ny fanamaivanana ny fahasahiranan'ny Ray aman-drenin'ny mpianatra ao amin'ny EPP Ambodivondava, Ben'ny tananan'i Alasora Randriantsoa Jimmy.
Pati
Legende : Nandritra ilay fampisehoana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT