Fampianarana

Campus Ambondrona Mahajanga Nifamono sy nifandoro trano ny mpianatra


  • Talata 21 Febroary 2023

Raikitra ny sakoroka tany amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatry ny oniversiten’I Mahajanga tao amin’ny Campus Ambondrona ny alahady teo.

Resaka fifaninana baolina kitra ho an’ireo mpianatra vaovao na “match inter-novices” no voalaza fa niandohany, ka niafara tamin’ny fifamonoana teo mpianatra avy any Analalava sy Belanana, ary may hatramin’ny toeram-ponenana. Tsy dia nisy olana teo am-pifanaranan’ny lalao, saingy niteraka fifampihantsiana s tora-bato niafara tamin’ny fandorana trano satria nisy nanipy “coktail Molotov” na ireny lasantsy sy fasika atao anaty tavoahangy ireny ny BLOC 22 misy ireo mpianatra avy any Analalava, hany ka may kila forehitra ny efitra 7, ary mpianatra miisa 72 no traboina, may fananana toy ny solosaina, finday, fitaovana maro,… Tsy vitan’izay fa mpianatra am-polony no naratra, ka iray tsy nahatsiaro tena vokatry ny tora-bato niantefa tamin’ny lohany, nisy ny voa tamin’ny taola-maso, tànana, tratra,… “Efa sangy mihoatra ny loha, efa fihetsika feno habibiana, manatitrantitra fa ts maints hisokatra nyy fanadihadiana ho an’izay nahavanon-doza na iza na iza, na zanak’iza na zanak’iza. Tsy ekena ny fandorana fananana iombonana”, hoy ny Filohan’ny Oniversiten’I Mahajanga. Naneho, fa iantohan’ny oniversite ireo mpianatra naratra, ary efa napetraka amin’ny toerana malalaka kosa ireo traboina. Nisy ihany koa ny Fanambaran’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, izay nanameloka tanteraka ny famotehana fananana iombonana. Nankahery ireo izay tsy manan-tsiny ka potika fananana sy tra-boina tsy fidiny ary mirary fahasitranana haingana ho an’ireo naratra. Tsy mankasitraka ny fanehoana fihetsika tsy mendrika mifanohitra amin’ny Fampianarana Ambony sy fampanjakana ny herisetra eny amin’ny oniversite,… Niantso ny mpitandro ny filaminana any an-toerana ihany koa hanokatra ny fanadihadiana, ny ao amin’ny fiadidian’ny oniversite koa hanatanteraka sy handray fepetra araka ny lalàna mifehy ny oniversite. Tsy vao sambany ny fisiana fifamonoana eo amin’ny samy mpianatra, izay matetika tafiditra foana ny resaka fihaviana ka tokony hojerena akaiky ny hisorohana azy.
Toky R

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT