Fampianarana

Boriborintany faha-6 Hitondra am-bavaka ireo mpanala fanadinana rahampitso


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Araka ny vinan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana amin’ny fijerena manokana ireo renim-pianakaviana sy ny ankizy,

 

 izay  ny lehibe indrindra ny fijerena ny aim-panahin’izy ireo  dia   hanao vavaka fangataham-pitahiana  ho an’ireo mpanala fanadinana  ny  boriborintany  faha- 6  kaominina   Antananarivo renivohitra (CUA)  ny alahady ho avy izao manomboka amin’ny 2 ora sasany  ao  amin’ny  FJKM  Antanety  Fitahiana Ambohimanarina   SPAA10. Koa antsoina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny ankizy  hanala fanadinana  CEPE , BEPC ary BACC ao hanatrika io fotoam-pivavahana  io araka ny nambaran’ny delegeny Fehizoro Andriamananjezika.  Ny hitondra ny hafatr’Andriamanitra dia ny  tonian’ny dorkasy foibe FJKM  ny  mpitandrina  Dynah  Trimozafy.  Nanamarika i Fehizoro  Andriamananjezika  fa  izao no tanteraka  dia  noho   ny fiaraha-miasa   tamin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM)  ao  amin’ny boriborintany. Aorian’ny  fotoam-bavaka  dia hisy  ny fanomezana  marika kely fahatsiarovana   hatolotra ireo ankizy mpanala fanadinana  avy amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT