BEPC tanterahana manomboka anio

299.130 ireo mpiadina manerana ny Nosy


  • Alatsinainy 01 Jolay 2024

Hotanterahina manomboka anio Alatsinainy 01 Jolay haharitra 4 andro ny fanadinam-panjakana

BEPC na ny Brevet d'étude du premier cycle manerana ny tanin’ny Repoblika. Mpiadina miisa 299.130 no hiatrika izany ka 8 taona no zandriny indrindra. Ny 35 isa amin’ireo no manana fahasembanana raha miisa 4 kosa ireo tera-tany vahiny. Raha araka ny fanazavan’ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena mpisolo toerana Randriamanantany Zely dia hiparitaka amina foibem-panadinana miisa 1079 ireo mpiadina ireo raha miisa 8888 kosa ny efitranom-panadinana handray azy. Amin’ny ankapobeny dia ireo nisafidy ny sokajy B no tena betsaka. Mahatratra 153.082 isa mantsy izy ireo raha sokajy A ny ambiny izay miisa 146.048. Andrasana araka izany izay mety ho vokatr’ity fanadinam-panjakana iray ity. Amin’ny ankapobeny mantsy dia mbola betsaka ireo taranja atahoran’ny mpiadina toy ny tantara sy jeografia, ny matematika ary ny fizika. Tsiahivina moa fa miovaovabe ihany ny voka-panadinana BEPC teto amintsika tato anatin’ny 3 taona nifanesy izao. 55,19% tamin’ny taona 2021, 29.41% tamin’ny 2020 raha niakatra ho 59,9% tamin’ny taona 2022 izay nahitana mpiadina miisa 187.215 afaka soa aman-tsara. Mbola hangatsiaka hatrany moa ny andro manomboka anio Alatsinainy. Mety hahatratra hatrany amin’ny 11C ny maripana ambany indrindra raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. Mila manao mafana hatrany ireo mpiadina noho izany.
Pati
Legende : Mila manao mafana sy mihinana sakafo mampafana ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC manomboka anio !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT