BEPC Anosibe an’ala

Mpiadina 4 no tratra nanao hosoka


  • Alakamisy 04 Jolay 2024

Mpiadina miisa 4 no tratra nanao hosoka tamin’ny taranja Tantara sy Jeografia tao Anosibe

an’ala omaly 3 jolay nandritry ny fanadinam-panjakana, BEPC, raha ny fampitam-baovao voaray. Teo amin’ny fisavana fanindroany tao anaty efitrano fanadinana no nahatrarana ireo laza adina efa nisy valiny tamin’ny taratasy tsotra. Voalaza ho nanampy ireto mpianatra ireto tamin’izao hosoka izao ny talena sekoly tsy miankina sy mpianatra any Toamasina. Nametraka fitoriana ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Anosibe an’ala. Ny zandarimariam-pirenena, noho izany, no mandray an-tanana ny raharaha, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Heverina ihany koa etsy ankilan’izay fa ampy ho anatra ho an’ireo mpiadina hafa manerana ny nosy mbola mikasa ny hanao be vinany amin’ity andro farany amin’ny fanadinana BEPC ity izany. Aleo lavitra angamba mamerin-taona rehefa mahatsiaro tena ho ratsy fiomanana nialoha izao fanadinana izao toy izay, sanatrian’izany, ny hosoka natao tao anatin’izao fanadinana izao no hanimba ny hoavin’ny tena manontolo mihitsy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT