Fampianarana

BEPC Afaka tapa-bolana ny voka-panadinana


  • Talata 04 Jolay 2023

Tsy haharitra ela fa ezahina hivaly ao anatin’ny tapa-bolana ny fanadinam-panjakana BEPC mba hahafahan’ireo

mpianatra sy Ray aman-dReny mijery sekoly haingana hianarana ho an’ny taom-pianarana vaovao indray. Nisongadina izany omaly nandritra ny tafa fohy nataon’ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle tamin’ny mpanao gazety raha nitsidika ny ampahany tamin’ireo foibem-panadinana teto an-drenivohitra ny tenany omaly. Nohamafisiny ihany koa fa hohatsaraina ny kalitaon’ny fanabeazana ka hisy ny fandraisana sy fampiofanana mpampianatra miisa 1.075 ho mpiasam-panjakana ankoatra ireo izay efa horaisina amin’ity taona ity, amin’ireny sekoly lehibe manofana ho lasa mpampianatra ireny. Ny fandraisana an’ireo mpampianatra ireo dia hialohavana adina ka hivoaka amin’ity herinandro vaovao ity ny peta-drindrina ao amin’ny Minisitera sy eny anivon’ny faritra rehetra izay ahitana an’ireny toerana manofana mpampianatra ireny, ny CISCO, ny DREN. Hahazo fiofanana eo anivon’ny INFP ireo izay mahafeno fepetra takiana mba hahazo entana na « bagage Pédagogique » alohan’ny handraisan’izy ireo ny asany amin’ny maha mpiasam-panjakana azy ». Tanjona moa ny mba hahafahana manatsara ny voka-panadinana hoy hatrany ny Ministra arahin’ny fivoaran’ny fahaizan’ny mpianatra ao amin’ny taona fahadimy ka hatramin’ny taona famaranana. Tsiahivina hatrany moa fa mahatratra 305.836 ireo mpiadina miatrika ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT