Fampianarana

BEPC 2018 Cisco Toamasina I Niakatra ho 40,46% ny taham-pahafahana


  • Sabotsy 15 Septambra 2018

Nivoaka ny alakamisy teo ny valin’ny fanadinana BEPC ho an’ny Cisco Toamasina I, ka niakatra ho 40,46% ny taham-pahafahana tamin’ity taona ity, raha toa ka 38,77% izany ny taona 2017.

  

 Na ratsy aza ny ankamaroan’ny naotin’ny mpianatra noho ny fitokonana lavareny nataon’ny Sempama izay naharitra telo volana vokatry ny be marenina nataon’ny fanjakana, dia nisy ihany ireo nahazo naoty tsara, izay nahagaga fa avy amin’ny sekolim-panjakana no nahazo ny laharana voalohany, ka nahatratra 18,89/20 ny naotiny, izay mpianatra ao amin’ny “CEG de Référence” Bazary, sekolim-panjakana manokana natsangan’ny fitondran-dRavalomanana noho ilay fandahana MAP ho an’ireo tsara naoty nandritra ny fanadinana CEPE. Ny faharoa kosa dia azon’ny mpianatra kolejy St Joseph de Cluny 18,28/20 izay sekoly tsy miankina nahazo taham-pahafahana ambony indrindra mahatratra 95%. Ny fahatelo kosa dia 17,61/20 izay naoty mbola azon’ny mpianatry ny CEG de Référence ihany. Ny fahaefatra sy ny fahadimy kosa naoty 17,47/20 sy 17,44/20 kosa dia azon’ny mpiadina avy eo anivon’ny sekoly tsy miankina La Salle na Stella Maris teo aloha.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT