Fampianarana

Bemasoandro Itaosy Afaka handray mpianatra 300 ny EPP nitarina


  • Talata 31 Aogositra 2021

Nasiam-panitarana ny sekoly ambaratonga fototra ao amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

 Raha tsy nanana afa-tsy efitrano fianarana miisa 3 izy teo aloha dia efa lasa 6 izany ankehitriny, hanjary hahazaka mpianatra miisa 300 raha 210 isa teo aloha. Nambaran’ny talen-tsekoly nandritra izany fa tombony lehibe ho an’ity kaominina ity ny fahazoana foto-drafitrasa tahaka izao. Ho tafiditra an-tsekoly avokoa mantsy ny zana-bahoaka hoy izy raha misy hatrany ny fiezahana tahaka izao. Ho an’ity EPP iray ity manokana dia fantatra fa 20.000 Ar ny latsak’emboka haloan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ho enti-mampandeha ny raharaha eo anivon’ny sekoly, mari-bola tapaka nandritra ny fivorian’izy ireo. Tsy olana raha araka ny fantatra na aloha mandritra ny taom-pianarana manontolo aza io mari-bola io miankina amin’ny fahafahan’ny tsirairay. Ny 01 Septambra ho avy izao moa no hiditra ny mpianatra rehetra ho an’ireo sekolim-panjakana manerana ny Nosy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT