Banky Iraisam-pirenena

«Hatsarao ny kalitaom-pampianarana eto raha hiady amin’ny fahantrana »


  • Alarobia 06 Martsa 2024

Ny tetiandrom-pampianarana na « calendrier scolaire »

eto no isan’ny sakana iray mitarika ny tsy fahavitan’ny mpianatra ny ambaratonga fototra eto amintsika, raha ny fanehoan-kevitry ny banky iraisam-pirenena. Mila ampifanarahana amin’ny vanim-potoana toy ny fijerena ny taom-pahavaratra sy ny taom-piotazana. Isan’ny adihevitra ohatra ny tokony hanaovana ny fialan-tsasatra ho ao anatin’ny fotoam-pahavatra noho ny olana maro miseho. Amin’ny fotoanan’ny miaka-bokatra anefa io, ka mampiakatra ny fitomboan’ny mpianatra halaim-panahy handeha hitsoaka ny sekoly. Tena misy ny porofo fa fampifanintsiana ny fandaharam-potoam-pampianarana amin’ny taom-pamokarana, dia misy fiantraikany amin’ny fianarana sy ny fari-pahaizan’ny mpianatra, indrindra fa ney amin’ny tontolo ambanivohitra, izay ny fambolena no isan’ny asa fototra iveloman’ny olona, hoy io tatitra io. Rehefa fotoam-pahavaratra indray, dia voatery mampiato ny fampianarana, manakatona ny sekoly, hany ka tapatapataka ny fampianarana. Ny faharefoan’ny fari-pahaizan’ny tanora anefa dia mitarika any amin’ny fitomboan’ny fahantrana, ary manampy trotraka izany ny ambana eo amin’ny fihazakazaky ny fitomboan’ny mponina, tsy fahampian’ny fananana herijika hanana asa tena mahomby sy ahafahana mivoatra, ny kolikoly mandrakotra ny sehatra maro, ny fitokana-monin’ny olona eny ambanivotra, raha ny voalazan’io tatitra io. Ireo olona ireo dia mifandrohy sy antony miteraka sakana ho an’ny fampandrosoana, ary vao manaiky manampy ny efa fahalemena ara-toekarena. Ny fanadihadian’ny Banky Iraisam-pirenena mikasika ny fahantrana eto Madagasikara dia manamafy hatrany ny maha zava-dehibe ny fanatsarana ny kalitaom-pampianarana na eo aza ny fitomboan’ny tahan’ny fidirana an-tsekoly. Manome toromarika amin’ny hanatsarana ny kalitaom-pampianarana mba hanetsehana sy hampitomboana ny famokarana sy ny fahaiza-manaon’ireo taranaka ho avy ary mba hivoarana makany amin’ny làlan’ny fampandrosoana lovain-jafy sy mivelatra ny Banky Iraisam-pirenena. Manipika fa ny fanabeazana no fanohitra sy fanantenana hahafahana miady amin’ny fahantrana, ka miantso fa ny fanohanana ny ankizy ankehitriny dia hanamafy orina ny ho avy mamiratra aoriana. Na ny Banky iraisam-pirenena aza dia mahita fa mila hatsaraina ny tontolon’ny fampianarana eto, izay rehefa dinihina tokoa dia tokony hampifanarahana amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena, ny filàn’ny firenena, ny harem-pirenena,… hahafahana manome lanja an’ireny ho fanohitra hiadiana amin’ny fahantrana.
Toky R
Sary fanehoana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT