Bakalorea teto Antananarivo

Niakatra ny taham-pahafahana


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2026

Efa fantatra ny vokatra ho

an’ny bakalorea tao anatin’ny Faritanin’Antananarivo, izay nisy fiakarany. Afaka mijery izany amin’ny alalan’ny SMS amin’ny laharana 601 ireo mpiadina, ary misy toy ny mahazatra ihany koa ny fampafantarana amin’ny takelaka eny amin’ny lisea-panjakana, izay efa nivoaka ny faran’ny herinandro teo. Tafakatra indray mihoatra ny 50 % ny vokatra ho an’ny 2026, ka nahatratra 51,74 %, raha 47,49 % tamin’ny 2025, izany hoe fiakarana 4,25% ny taham-pahafahana, raha ny tatitra ofisialy. Ho an’ny bakalôrea teknika dia nahitana taha-pahombiazana 69,66 %, raha 50,32 % kosa ny an’ny bakalôrea ankapobeny. Raha ny vokatra isaky ny sokajy kosa manomboka amin’ny 70,92 % ho an’ny sokajy L ka hatramin’ny 43,86 % ho an’ny sokajy A2. Ny sokajy C, OSE, A1, S ary D dia nahazo vokatra tsirairay avy 69,75 %, 67,07 %, 54,61 %, 53,24 % ary 51,50 %, araka ny tatitra sy filazam-baovao omaly.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT