Nisehoana olana ny fanadinam-panjakana bakalorea tao amin'ny Lisea Andrianampoinimerina
Sabotsy Namehana omaly tolakandro, araka ny vaovao marim-pototra voaray. Tsy laza adina Malagasy tokony ho natrehana araka ny fandaharam-potoana efa voafaritra no tao anatin'ny fonosana, fa laza adina Frantsay na Malagasy aza no voalaza teo amin'ny fonosana. Heverina ho nisy ny tandrametaka sy tsy fahamatorana avy amin'ny tompon'andraikitra, izay niteraka fahasosorana sy fitaintainana teo amin'ny mpianatra sy ny Ray aman-dReny. Efa samy nahita ilay laza adina Frantsay tokony hatao rahampitso alakamisy avokoa ireo mpianatra vao naorina indray izany. Voatery niandry adin'ny roa teo ny mpiadina izay vao niroso tamin'ny laza adina Malagasy, raha ny fanamarihana. "Ianareo izay efa niandry elabe tsy mirava raha tsy amin'ny 7ora latsaka fahefany", io no teny nataon'ny tompon'andraikitra, raha ny fampitam-baovao. Adin'ny efatra ny ora hanaovana ny laza adina Malagasy kanefa tratry ny fahatarana lehibe. Mbola nandeha ihany koa aza ny teny hoe: "Izay mahavita dia mahavita fa izay tsy mahavita izarana vatsy tsinjo", izay nanaitra sy nahagaga ireo Raiamandreny hoe: inona no tena heviny. Nandeha ny resaka tsy ofisialy hoe: naoty bonus ka asa izay ho fandehany. Rehefa nimenomenona hatramin'ireo Ray aman-dReny izay nanaraka ny zanany hoe misy inona dia nilazana fa misy "olana kely", "izay mahavita dia mahavita, izay tsy mahavita rahampitso homena vatsy tsinjo". Nandeha rahateo ny nimenomenona noho ireo mpiadina efa maty masoandro mbola namita laza adina nefa betsaka no mody lavitra kanefa toa namaivanina ny tranga. Nolazaina fa avy amin'ny CISCO ny lesoka. Tao ny nilaza hoe: atao inona vatsy tsinjo? Sao hiantraika any amin'ny naotin'ny mpiadina? Manampy trotraka, ny laza adina Frantsay efa hitan'ny mpianatra ka voalaza fa mety hovaina laza adina hafa. Tsy hampiova ny herijikan'ny mpianatra mitaha amin'ireo mpifaninana hafa ve? Nisy ny fahasosorana na tamin'ny mpiadina na tamin'ny Ray aman-dReny ny zava-nitranga ka betsaka no naneho hoe: taratry ny tsy firaharahiana sy fanamaivanana ny fampianarana sy ny fanadinam-panjakana izay saika misy toe-javatra mamohehitra foana isan-taona. Tranga iray notaterin’ny fahitalavitra tsy miankina iray ihany koa ohatra omaly ny ny hoe : afaka mifanoro tsara ireo mpiadina rehefa mandoa vola amin'ireo jurys. Samy nanome avokoa ny mpiadina. 5 arivo ariary no ambony indrindra misy manome 2 arivo ariary. Potehina mihitsy ny fampianarana eto Madagasikara?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.