Fampianarana

Bakalorea teknika Sambany no nisy fitanana an-tsoratra ny hosoka


  • Talata 01 Aogositra 2017

Notontosaina nanomboka omaly alatsinainy ny fanadinana Bakalôrea teknika andiany faharoa, ho an’ireo mpiadina nisafidy izany. Mahatratra 9.800 izy ireo no miatrika izany.

 

 Raha ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny foibem-panadinana LTC Ampefiloha dia sambany tamin’ity taona 2017 ity no nisy  fitanana an-tsoratra ho an’ny hosoka. Tena nanova ny fitondran-tenan’ireo kandida sy mpanara-maso tokoa izany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny foibem-panadinana, satria samy mahazo sazy avokoa ny roa tonta, raha sanatria ka misy izany. Nidina teny an-toerana nijery ny fizotry ny fanadinana, omaly maraina, ny Ministry ny Fampianarana ambaratonga ambony, Rasoazananera Monique. Nambarany tamin’izany fa mba ho tombontsoan’ny mpianatra no antony nandraisan’ny fitondram-panjakana izao  fanovàna vaovao izao, tsy hisian’ny fianteherana amin’ny fanaovana hosoka intsony. Nandeha nankahery ireo mpitsara ny fanadinana Bakalôrea ankapobeny teny Ankatso ny tenany, taorian’izany, no sady nitsidika ny toerana fitehirizana ny naoty ihany koa. Omaly moa no nanomboka ny fitsarana, raha  tsiahivina. Afaka tapa-bolana kosa  no vinavinaina  hivoaka ny vokatra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT