Fampianarana

Bakalorea taranja Histogeo Tamin’ny 07 ora hariva vao nanomboka ny tany Andilamena


  • Alakamisy 20 Jolay 2023

Tamin’ny 07 ora hariva vao nanomboka ny tany Andilamena omaly Tena niteraka fanakorontanan-tsaina goavana ho

an’ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea omaly ny zava-niseho nanerana ny Nosy. Nivoaka mialoha tamin’ny tambazotran-tserasera mantsy ny laza adina hany ka voatery ny laza adina fiandry ny nasolo izany. Voatery niandry tamin’ny fanaparitahana sy ny fanaterana io laza adina fiandry io avokoa noho izany ny rehetra hany ka nihemotra ihany koa ny fotoana nanombohana ny laza adina. Ho an’ny foibem-panadinana CEG Anosibe Antananarivo ohatra dia tamin’ny 03 ora sy fahefany vao nanomboka ny laza adina omaly hariva izay maharitra ora 4 ho an’ny taranja Histo-geo. Iaraha-mahalala anefa ny fahatapahan-jiro lavareny eto amintsika ka voatery nanao tsipaipaika nividianana labozia ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra. Tsy vitsy ihany koa ireo nitady vola manokana mihitsy nandehanana taxi-moto sy fiara karetsaka omaly hariva nitsenana ireo menaky ny ainy tara fodiana. Tamin’ny 07 ora sy sasany hariva mantsy izany vao nifarana tanteraka izany ho an’ity foibem-panadinana iray ity. Ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Andilamena indray dia omaly tamin’ny 07 ora hariva vao nanomboka izany, nifarana tamin’ny 11 ora alina izay trangan-javatra efa tena tsy izy intsony mihitsy. Anio Alakamisy anefa tsy maintsy mbola hifoha maraina indray….Tokony hosamborina sy hatao hazalambo tanteraka ireo olona tratra manao zava-doza tahaka izao fa tena manakorontana ny mpiadina no sady fanetriben’ny firenena.
NIPARITAKA IREO TEKNISIANA
Ho an’ny orinasa JIRAMA manokana dia fantatra fa niezaka ny tsy hisian'ny fahatapahan’ny herinaratra ireo tompon'andraikitra sy teknisiana rehetra omaly hariva mandritra ny fotoana nanaovan’ireo mpiadina ny fanadinana. Teny ankianja avokoa ireo teknisiana rehetra nanomboka tamin’ny 5 ora hariva nanara-maso ny mety ho fisian’ny "panne" sy ny olana ara-teknika tampoka. Na izany aza mbola nisy ihany ireo faritra lasibatra sy nampitaraina ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ny taratarasy fampilazana ho an’ireo Ray aman-dReny nanan-janaka niadina tao amin’ny CEG Anosibe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT