Bakalorea tao Ambositra

Nahitana tranga hafakely


  • Alarobia 24 Jolay 2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

izany hoe ny alatsinainy 22 jolay 2024 teo, raha ny fampitam-baovao voaray. Lehilahy iray no navoaka ny efitranom-panadinana. Toy izany koa ny zaobaviny. Ivom-panadinana samihafa no nisy azy ireo kanefa nandritry ny adina amin'ny taranja Filozofia dia ilay lehilahy nanoratra ny anaran'ny zaobaviny tao anaty taratasy fasiana valiny. Ilay vehivavy kosa nanoratra ny anaran'io zaodahiny io tao amin'ny azy, raha ny fanazavana hatrany. Saika hifanavotra ry zareo izany fa tratra, hoy kosa ny fahitan’ireo mpanara-baovao ity resaka ninia nampifamadika anarana ity. Izany hoe izay taranja tsy hain’ny iray dia ataon’ilay iray mahay azy dia mifandimby toy izany hatrany mba hifamenoan’ny naoty any amin’ny farany. Isan-karazany mihitsy ity halatra anaty fanadinana tra-tehaka ity!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT