BAKALOREA

Nihena ny taham-pahafahana tao Mahajanga


  • Alarobia 20 Aogositra 2025

Nihena ho 59,77% ny taham-pahafaham-panadinana Bakalorea tamin’ity taona 2025 ity

ho an’i Mahajanga, Faritra Boen.Mpianatra miisa 14. 808 tamin'ireo 24 773 nisoratra anarana no afaka soa aman-tsara izay nahazoana taham-pahafahana 59,77 %. Ho an'ny bakalorea ankapobeny dia miisa 13. 768 no afaka tamin'ireo kandida miisa 23. 560 nisoratra anarana manome taham-pahafahana 58,44 %. Ho an'ny bakalorea teknika indray dia miisa 1 040 no afaka tamin'ireo kandida miisa 1.213 nisoratra anarana izay nahatratra 85,74 %. Na izany aza nahitana fihenany ny vokatra raha oharina tamin’ny taon-dasa hoy ny tompon’andraikitra. Ho an’Antananarivo manokana dia hotontosaina amin’ny Zoma 22 Aogositra ho avy izao ny deliberation ho an’ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Hanomboka amin'ny 9 ora maraina izany ka aorian’izany dia hivoaka avy hatrany ny vokatra izany hoe : tombanana ny Zoma hariva na ny ampitso Sabotsy. I Fianarantsoa moa raha tsiahivina no namoaka ny vokatra voalohany tamin’ny Alakamisy 14 Aogositra lasa teo. Nanaraka azy Antsiranana tamin’ny Sabotsy 16 Aogositra nitohy tao Mahajanga omaly hariva.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra tao Mahajanga nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT