BAKALOREA

Mpiadina iray tratra nanao


  • Alarobia 22 Jolay 2026

hosoka, roa hafa narary tampoka

Mpiadiana bakalorea iray, sokajy A1, no tratra nanao hosoka nandritra ny fanadinam-panjakana Bakalorea taranja Matematika omaly Talata 21 Jolay maraina tany amin'ny distrikan'Ambilobe, Faritra Diana. Tao amin'ny foibem-panadinana Saint Joseph no nitrangan'izany raha tovovavy vao 19 taona monja kosa ilay mpiadina tratra. Niaraka tamin'ny taratasy efa voalamina sy nisy valiny izy nandritra izany. Voatery, navoaka tao amin'ny efitranom-panadinana ny anaovavy vokatr'izany ary tsy mahazo manohy ny fanadinana intsony araka ny fitsipika mifehy ny fanadinam-panjakana. Ankoatra ity tranga mampalahelo ity dia mpiadina miisa 2 ihany koa no fantatra fa narary omaly tao amin'ny kolejy Saint Joseph Ambatondrazaka. Nandritra ny adina tamin'ny taranja Matematika avokoa no nitrangan'izany ka ny iray efa nivoaka ny hopitaly omaly ihany raha mbola tsy mahatsiaro tena kosa ny iray hatramin'ny omaly hariva, fotoana nanoratanay.
Nangonin'i Pati
Légende : Efa niforiporitra tahaka izao ilay laza adina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT