Bakalorea mbola tsy mivaly

Miantraika amin’ireo hetsika momba ny fampianarana ambony


  • Zoma 23 Aogositra 2024

Misokatra amin’ity taona ity eo anivon’ny sekoly ambony INSPNMad, misehatra amin’ny resaka

fanondranana sy fanafarana entana ary fadin-tseranana na «Transit et Douane» ny fiofanana ampitain-davitra na «formation à distance» momba izany, hoy ny tomponandraikitra ara-barotr’izy ireo, Andrianiaina Alida, izay sady mpampianatra haivarotra rahateo. Somary misy fiantraikany amin’ny fahafahan’ireo mpianatra manatrika ny hetsika fampahafantarana na «salon» toy itony «Salon des études universitaires et des formations» itony moa ilay mbola tsy fivalian’ny bakalorea, hoy izy. Vitsivitsy ny ankizy saingy raha ny hita tamin’ny tonga nitsidika tato kosa aloha dia betsaka ireo liana amin’izay resaka «Transit et douane» izay. Vitsy nihoatra noho ny tamin’ny taon-dasa kosa nefa, noho ny antony voalaza teo. Nofidiana ny fampiofanana ampitain-davitra satria maro ireo olona efa miasa nefa mba te hisitraka ilay fampiofanana. Mety eo amin’ilay filàna diplaoma amin’ny sehatry ny asa angamba na tahaka izany. Hita koa hoe miroborobo amin’izao fotoana izao ny sehatry ny fampitan-davitra. Nitombo be ny isan’ireo mpianatra liana amin’ny resaka fadin-tseranana satria raha nahita andiany na «vague» miisa 3 foana, isan-taona, izahay hatramin’izay dia lasa miisa 5 izany nanomboka tamin’ny herintaona. Ny «vague» iray anefa miisa 40 eo. Ny antenaina moa dia ny mbola hitomboan’izany amin’ity taona ity satria hita hoe maro ny olona liana amin’ilay sehatra satria sehatra mora ahitana asa sady tsy lalan-kasa na «débouché» ilay izy. Misy foana tsinona ny fanondranana sy fanafarana entana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT