Bakalorea ho an'ny "candidats libres"

Tena tamim-piheverana ve ny fanapahan-kevitra ?


  • Alarobia 17 Aprily 2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

namaritra fa eny amin'ireo renivohi-paritra ihany no hisy ny foibem-panadinana ho an’ireo "candidats libres" na mpiadina tsy miankina amin'ny sekoly ho an'ny fanadinana bakalôrea 2024, ary atambatra anaty efitra izy ireo. Ny lojikan'io izany dia mamonjy an'i Toamasina, renivohitry ny Faritra Atsinanana ireo "candidats libres" avy any Marolambo, Mahanoro, Vatomandry, Brickaville, Antanambao Manampotsy... Miazo an'i Maintirano ireo "candidats libres" avy any Antsalova, Morafenobe, Besalampy, Ambatomainty... Miazo an'Ambatondrazaka renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro ny any Anosibe an'Ala, Moramanga, Amparafaravola, Mamonjy an'Antananarivo raha any Ankazobe, Andramasina,... Fanapahan-kevitra tsy am-piheverana, hoy ireo mpisehatra amin'ny fampianarana, toy ny vovonana iraisan'ny sekoly tsy miankina. Mitombo ny fahasahiranana ho an'ny mpiadina na ara-potoana na ara-bola, na ara-panomanana. Miteraka fahakiviana samihafa. Tena fanatsarana no tanjona sa zavatra hafa? Samihafa ve ny lentan'ny bakalorea ho an'ny kandida tsy miankina amin'ny sekoly sy ny tsy miankina no tonga amin'izao fanapahan-kevitra izao? Inona no tena tanjona satria raha ny lojika dia fanamorana ny fahafahan'ny tanora miatrika fanadinana aza no tokony hatao. Asa izay ho tohin'ity fa toa hafahafa no andraisan'ny rehetra ilay fanapahan-kevitra tsy fahita hatrizay. Manampy trotraka an'io, nirotsaka ho kandida avokoa ireo Minisitra telo misahana ny fampianarana ka asa hoe: mbola misy lanjany amin'ny Fitondrana ve ny fampianarana sa tena potehina mihitsy ? Tamin'ny taon-dasa bakalorea labozia dia sanatrian'ny vava ho inona indray no hiseho amin'ity?

Raha ny antontan’isa kosa, dia voalaza fa 20% hatramin’ny 50% ny taham-pisoratana anarana ho an’ireo mpiadina bakalorea aty amin’ny herinandro latsaka tsy hifanaranan’ny fe-potoana hifaranany. Ambany hatreto ny taham-pisoratana anarana voarakitry ny Ofisin’ny bakalorea manerana ny Nosy amin'ity fanadinam-panjakana, saingy mbola izao arahina fanasarotana izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT