Bakalorea Faritanin’i Toliara

Nihena 19% ny taham-pahafahana


  • Zoma 22 Aogositra 2025

Nivoaka ofisialy omaly valim-panadinana bakalorea ho an’ny Faritanin’i Toliara.

Ny oniversite moa no miantsoroka izany. 43,14 % ny taham-pahafahana an’i Toliara, raha ny fampitàm-baovao voaray. Raha ampitahaina tamin’ny taon-dasa dia nidina io taham-pahafahana io. Tamin’ny taon-dasa mantsy, nahatratra 63,01% ny taham-pahafahana ary io 43,14% io ho an’ny 2024, izany hoe : nahatratra 19% teo ny fitotonganana. Mpianatra nanao safidy D na «série D» avy ao amin’ny lisea Père Barré, Toliara I, no nahazo ny naoty ambony indrindra tamin’izany. Nahazo ny naoty 17, 04/20 ary nahazo ny mari-pankasitrahana tena tsara na «mention très bien» ity kandidà ity. Teo amin’ny Bakalorea tekinika indray dia 16, 04/20 no naoty ambony indrindra ary «mention très bien» ihany koa. Androany no hivoaka ny voka-panadinana bakaloera ho an'ny faritany Toliara, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT