BAKALOREA 2024

Nihena ho 218 359 ireo mpiadina


  • Alarobia 10 Jolay 2024

Nihena ny isan’ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea amin’ity taona 2024

ity raha oharina tamin’ny taon-dasa. Lasa 218.359 mantsy izy ireo raha araka ny antontan’isa teo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika raha nihoatra lavitra noho izay tamin’ny taon-dasa. Eo an-danin’izay dia mitombo hatrany ireo misafidy ny sokajy literera toy ny A1 sy ny A2 ary ny L. Lasa 69,89% izy ireo izay mitontaly 152.608. Miisa 43 843 sisa noho izany ireo nisafidy ny sokajy siantifika . Ny 10 646 amin'ireo no ao amin'ny sokajy "organisation, Société, économie" na OSE ilay mbola vaovaobe hatrany amin’ireo mpiadina sasany. Hanomboka ny Alatsinainy 22 Jolay ho avy izao moa ny fanadinam-panjakaba Bakalorea ankapobeny, izay hiara-dalana amin’ny tapany voalohany ho an'ny sokajy teknika sy teknilokojia ary profesionela. Hitohy ny herinandro faha 29 Jolay kosa izany ho an'ny tapany faharoa sokajy teknika ary tsy hifarana raha tsy ny datin’ny 01 Aogositra ho avy izao.
Pati
Legende : Mbola ao anatin’ny famerenana avokoa ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT