Fampianarana

Bakalorea 2023 Tsy ekena ny fahataran’ny fisoratana anarana


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Nisokatra ny 06 febroary teo hatramin’ny 7 aprily 2023 amin’ny 6ora hariva ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana ofisialy bakalorea taona 2023,

araka ny fampahafantarana nataon’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nanipika io Minisitera io fa tsy azo raisina ary tsy misy ny “dérogation” na vahaolana manokana ho an’ireo izay tara aorian’io daty voafaritra io. Voakasika avokoa ny renivohi-paritany enina izay fantatra fa ny eto Antananarivo, Faritra Analamanga no be mpiadina indrindra raha ny vinavina. Tsy niova kosa ny saram-pisoratana anarana fa mijanona ho 15000Ar ho an’ny mpiadina avy amin’ny sekoly, 50 000Ar ho an’ireo mandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana, ary 100 000 ho an’nyy teratany vahiny. Tahaka ny mahazatra, hisantarana azy ny Bakalorea ankampobeny sy ny tapany voalohany ho an’ny Bakalorea teknolojika sy teknika ary arak’asa, miampy ny adina am-bava ho an’ny fanatanjahantena izay samy hatao ny 17 hatramin’ny 21 jolay 2023. Hitohy ny 24-27 jolay kosa izany ho an’ireo izay mbola hamita ny tapany faharoa dia ny Bakalorea teknika sy teknolojika ary ny arak’asa.

Mikasika ny fanadinam-panjakana CEPE manokana dia hifarana amin’ny fiandohan’ny volana Martsa ny fisoratana anarana. Toraka izany ihany koa ny fanadinam-panjakana BEPC saingy hitontona faran’ny volana kosa ny fe-potoana farany. Antony nanomezana herinandro maromaro ny Ray aman-dReny moa ny hahatonga ny mpiadina tsy hisy ho tara na dia iray aza hisorohana ny olana mety hitranga.
Toky R sy Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT