Fampianarana

Bakalorea 2023 Nahemotra anio ny fitsarana ny taratasim-panadinana


  • Talata 25 Jolay 2023

Tsy tontosa nanomboka omaly alatsinainy 24 jolay fa voatery nahemotra anio Talata 25 Jolay ny fanombohana ny

fitsarana ny taratasim-panadinana Bakalorea ho an’ny sokajy ankapobeny sy teknika. Ankoatra ilay olana vokatry ny fivoahan’ny laza adina mialoha tamin’ny tambajotran-tserasera facebook ho an’ny taranja histo-geo ho an’ny baka ankapobeny dia nifamadika ihany koa ny laza adina ho an’ireo niatrika ny baka teknika. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ny mpampianatra iray dia misy specialite maromaro ao anatin’ny taranja iray ho an’ireo mpanala baka teknika. Ny nampalahelo anefa dia ilay laza adina sarotra no azon’ireo mpiadina tokony hiatrika ilay taranja tsotra raha lasan’ireo mpiadina tokony hiatrika ilay laza adina sarotra kosa ilay laza adina tsotra. Tsy afaka nanao na inona na inona anefa ireo mpiambina nanoloana izany fa dia nilaza tamin’ireo mpiadina ny amin’ny tokony hiatrehany amim-pitoniana ny fanadinana fotsiny. Nitaraina mafy ireo mpiadina noho izany ka voatery nikaon-doha fotsiny hahafahana mandrindra ny fitsarana izany sy ny fitsinjovana ireo mpiadina ireo mpitsara marobe omaly alatsinainy. Mbola miankina amin’izy ireo ihany koa moa na hotohizana hatramin’ny sabotsy ny fitsarana ireo taratasim-panadinana na hovitainy amin’ny andro’ny zoma ihany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT