Fampianarana

Bakalorea 2023 61,17% ny taham-pahafahana


  • Talata 22 Aogositra 2023

19 879 tamin’ireo mpiadina miisa 31 792 tao amin’ny Faritanin’i Toamasina no afaka bakalorea soa aman-tsara tamin’ity taona ity,

araka ny valim-panadinana izay nivoaka ofisialy omaly 21 aogositra. nouveaux bacheliers dans la province de Toamasina. Teo amin’ny 62,53% noho izany ny taham-pahafahana tao Toamasina, fa raha tsinjaraina isaky ny sokajy, dia 62,24% ho an’ny ankampobeny, raha toa ka 67,98% kosa ho an’ny sokajy teknika. Raha hiverenana, ny an’ny faritany hafa, dia 66,04 ny taham-pahafahana tany Toliara, izay 17 613 tamin’ny mpiadina 26 697 no afaka. 57,31% kosa ho an’Antananarivo izay 46 338 tamin’ny 80 862 no afaka. 56,96% kosa ny an’i Mahajanga izay 13 261 tamin’ny mpiadina 23 533 no afaka. Ho an’Antsiranana kosa, nahatratra 66,32% ny taham-pahafahana, izay ny 11 468 tamin’ireo 17 292 niadina no afaka. Ho an’ny Faritanin’i Fianarantsoa, izay namoaka voalohany ny vokatra kosa dia 19 985 tamin’ireo mpiadina 34 521 no afaka, izay manome taham-pahafahana ankampobeny 57,89 %. Raha hatambatra ireo faritany 6, araka ny kajikajy natao, dia manome 61.17% eo izany ny taham-pahafahana manerana ny Nosy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT