Fampianarana

Bakalorea 2020 Somary ratsy ny naoty tamin’ny taranja fizika


  • Alarobia 28 Oktobra 2020

Efa ao anatin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana Bakalorea tanteraka ireo mpampianatra mandray an-tanana izany ankehitriny. Raha araka ny fanadihadiana natao dia ny taranja Malagasy no tsy nahitana olana firy.

 

 

Saika nahafolaka ity taranja ity avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo mpiadina indrindra fa ireo nisafidy ny sokajy A2 ka saika nahazo moyenne avokoa ny ankamaroany. Ho an’ny taranja fizika kosa indray dia nisy nahita naoty 06/20 ireo mpiadina izay ambany ihany raha dinihina. Ho an’ny taranja filozofia kosa indray dia nambaran’ny mpitsara iray fa tsy ilay fanontaniana napetraka tamin’ireo mpiadina no tena novaliany. Diso maka zavatra lavitra loatra ny mpiadina hoy izy ka izay no niteraka olana kely. Na izany aza nisy tamin’ireo mpiadina no nahazo naoty 14/20 ho an’ny taranja filozofia. Vinavinaina hivoaka tsy ho ela moa ny vokatra raha vantany vao vita tanteraka ny fitsarana ny taratasim-panadinana rehetra.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT