Fampianarana

Bakalorea 2019 Haroso ny 30 septambra hatramin’ny 4 oktobra


  • Talata 22 Janoary 2019

Haroso ny 30 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra ho avy izao ny fanadinam-panjakana bakalôrea amin’ity taona 2019 ity saingy mbola hiandrasana fankatoavana ny didim-pitondrana izany.

 

 

 

 

 Araka ny fanazavan-dRazafimahatratra Dieudonné,  tale misahana ny sekoly tsy miankina eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mantsy dia efa tsy mety amintsika eto Madagasikara intsony raha  faran’ny volana oktobra hanatontosana ity  fanadinam-panjakana iray ity noho ny ranon’orana ateraky ny fotoam-pahavaratra. Ankoatra ny tsy fandriampahalemana dia mety efa olana be koa ny fitaterana ny laza adina ao anaty orana sy ny fivezivezen’ny mpiadina. Hanomboka ny 25 febroary ho avy izao,  ka hatramin’ny 30 aprily  ny fisoratana anarana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana. Mitentina 15.000 Ar kosa ny sarany aloa ho an’ireo mpiadina avy amin’ny sekoly raha 50.000 Ar kosa ho an’ireo mpiadina tsotra. Tafakatra 100.000 Ar kosa izany ho an’ireo teratany vahiny. Ho an’ny fanadinana Bakalôrea teknika moa dia ny 7 oktobra ka hatramin’ny 10 oktobra no hanatanterahana ny andiany faharoa amin’izany. Hiroso herinandro mialoha daholo ihany koa ny fanadinam-panjakana hafa rehetra. Ho an’ny fanadinana CEPE dia ny 27  aogositra   no hanatanterahana izany….

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT