Fampianarana

Bakalôrea 2018 Manome “cours” maimaimpoana ny TIM


  • Talata 04 Septambra 2018

Manome “cours” maimaimpoana ho an’ireo mpanala fanadinana bakalôrea ny antoko Tiako i Madagasikara na TIM ao amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo Renivohitra.

 

Nanomboka omaly alatsinainy ary haharitra hadimiana ny hetsika, hanampiana ireo tanora hiatrehany ny fanadinana. Fiaraha-miasan’ny antoko amin’ny sekoly tsy miankina, ny Lycée Privé Les Rossignols Ambohimanarina no ahatontosana azy ity. Tanora mpianatra manodidina ny 250 no tonga nisoratra anarana hanaraka izao “cours” maimaimpoana izao. Maro ireo mbola te hiatrika nefa voafetra ny toerana, hoy ny mpanolotsaina ny tanànan’Antananarivo sady filohan’ny tanora TIM ao amin’ny Boriborintany faha-6, Lalaina Rabezanahary. Araka ny fantatra, hahazo cours maimaimpoana toy izao ihany koa ny mpianatra hanala fanadinana CEPE sy Baccalauréat amin’ny taom-pianarana ho avy.

Nangonin’i Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT