Misedra olana ankehitriny ireo mpianatra jamba 9 mianadahy ao Vakinankaratra anio,
hiatrika ny fanadinana bakalorea 2018. Hatramin’ny fotoana nanoratana dia mety tsy ho afaka hiatrika ity fanadinana ity izy ireo satria tsy misy laza adina mifandraika amin’ny fahajamban’izy ireo ny laza adina tamin’ity taona ity. Raha ny fantatra, avy ao an-tampon-tanànan’Antsirabe ny 3 mirahalahy amin’izy ireo ary avy eto Antananarivo ny 3, saingy hiatrika ny adina ao Antsirabe. Avy ao Ambositra ny fahafito ary samy avy ao Farafangana ny 2 mianadahy sisa. Raha ny tokony ho izy dia ora sy fotoana mitovy, laza adina mitovy saingy voadikan'ny minisitera tompon’andraikitra mialoha amin’ny soratra “braille” no hatrehin’ny mpiadina jamba. Miteraka filàna olona sy fitaovana ary lamina manokana izay mampitebiteby ary tena mampisavorita-tsaina mpiadina mihitsy ny tsy fahatontosan’ny fandikana mialoha ny laza adina amin’ny soratra braille. Raha ny nambaran’Andriamatoa Haingo Ratobimiarana, Mpandrindra ny tetikasa VOATRA ASA tantanin’ny “Fédération des Associations des Aveugles de Madagascar”, sady miandry ny fanadinanan’ireto tanora jamba no mitaintain-dava fa sao hailika an-kolaka tsy hanatontosa ny fanadinana, toy ny tamin’ny taon-dasa eo indray. Raha tsiahivina, efa mba nanao ezaka handika mialoha ny laza adina ho amin’ny soratra braille tamin’ny fanadinana CEPE sy BEPC ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tato anatin’ny taona vitsivitsy, dia tsy toy izany velively ny ao amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony hatramin’izay. Saika tsy afaka niatrika ny fanadinana bakalorea ny tanora 4 mianadahy tao Ambositra tamin’ny taon-dasa raha tsy ny solontenan’ny Fivondronamben’ny fikambanan’ny olona jamba tao Antsirabe no tonga tsy nantsoina nefa nosamborina tamin’ny ora farany, nisahana izany tany an-toerana. Dia fantatra indray izao, araka ny resaka nampitain’ireto mpitondra tenin’ny olona jamba raha izy nifampiresaka tamin’ny tompon’andraikitry ny fanadinana bakalorea tao Fianarantsoa, fa tsy mbola hisy indray izany amin’io herinandro io. Sady tsy nisy mihitsy mba fampitam-baovao ho an’ireo mpiadina na ireo fikambanana izay mba afaka miahy azy ireo ny momba izany. Tsy dia eken’ny sain’ireo mpitantana eo anivon’ity fivondronamben’ny fikambanan’ny olona jamba ireto ity ny fanadinoana ireo vitsy an’isa kanefa manana filana manokana tahaka azy. Natao hotanterahina ihany koa fa tsy haingom-birao fotsiny ny Fifanarahana Iraisam-pirenena momba ny zon’ny olona manana fahasembanana izay milaza ao amin’ny andininy 24 momba ny fanabeazana fa « Ny olona manana fahasembanana dia manana zo hianatra sy hahazo fanabeazana araka izay tratrany mandritry ny androm-piainany. Araka izany dia andraikitry ny fanjakana ny miaro azy tsy hailika sy manamora ny fisitrahan’izy ireo ny zony.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.