Fampianarana

BACC tetsy amin’ny LMA Ampefiloha Mpiadina 78 isa no tsy tonga, sokajy A2 ny ankamaroany


  • Talata 25 Jolay 2017

Notanterahina nanomboka omaly alatsinainy 24 jolay manerana ny Nosy, haharitra efatra andro ny fanadinam-panjakana Bakalôrea.

Ho an’ny  tetsy amin’ny foibem-panadinana LMA Ampefiloha manokana dia 12 taona no zandriny indrindra. Tsy nisy ny olana, tamin’ny ankapobeny, araka ny fanazavan-dRakotondraibe Nicolas Jacques, chef de centre.  Mpiadina iray tapa-tongotra no voatery nafindra toerana, mpiadina 78 isa no  tsy tonga, ka ireo ao amin’ny sokajy A2 no betsaka. Nisy ihany koa  ireo nanadino ny taratasy fiantsoana azy tamin’ny adina ara-panatanjahantena sy ny kara-panondrony. Na izany aza dia efa manana lisitr’ireo mpiadina ao aminy  ity foibem-panadinana  ity, ka tsy olana ho azy ireo loatra. Tsy maintsy mitondra  ireo taratasy ireo kosa ny mpiadina anio, andro faharoa. Miisa 2.925 ireo mpiadina voasoratra anarana miatrika  ny fanadinana Bakalôrea ao amin’ny LMA Ampefiloha.  Boribory avy hatrany ny naoty, ho an’ireo tsy tonga omaly. Mbola afaka miatrika ny fanadinana anefa izy ireo anio. Marihina fa 20 tamin’ireo mpiadina tonga no nanolo taratasim-panadinana, antony tsy nahampy ny taratasy tao amin’ity foibem-panadinana iray ity.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT