Fampianarana

Atsimondrano Kaominina 4 no hahazo EPP sy CEG manara-penitra


  • Alarobia 30 Desambra 2020

Kaominina 4 ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano no fantatra fa

 

 

hahazo EPP sy CEG manara-penitra, fanomezana avy amin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Natomboka tamim-pomba ôfisialy omaly ny asa fananganana izany ka anisan’ny nisantatra azy ny kaominina ambanivohitra Ampanefy. Ao Ambohidronono no nanorenana izany ka sekoly ambaratonga fototra no anjaran’izy ireo. Ao Ambohijafy kosa ny an’ny kaominina ambanivohitra Fenoarivo no napetraka izay mbola EPP ihany. CEG kosa no ho azon’ny kaominina Itaosy raha EPP ny ao Soamanandray, kaominina ambanivohitra Tsiafahy. Ankoatra izao fananganana foto-drafitrasa goavana izao moa dia fantatra fa efa nahazo aron’akanjo ho an’ny mpianatra ihany koa ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano ka amin’ny fidiran’ny mpianatra amin’ny volana Janoary ho avy izao no hozaraina izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT