Fampianarana

ASIEF 2019 Hatomboka mialoha ny fifaninanana eto Analamanga


  • Alakamisy 10 Janoary 2019

Azo ambara fa fahombiazana tanteraka ny fifaninanana Asief 2018. Hiezaka amin’ny tsaratsara kokoa hatrany izahay amin’ity taona 2019 ity, hoy ny filohany Jhon Love “Andrianarison Jean Aimé Botosera”

 

 

 

omaly teny Ampefiloha ka nampivory maimaika an’ireo komity mpitantana ity rafitra ity androany alarobia 09 janoary 2019 nandinika izay fanatsarana rehetra mety hatao ary dia hanomboka hivory tsy tapaka isaky ny alarobia toy ny fanao eny amin’ny Ans Amin’izay aorian’izao. Ny azo ambara, hoy izy dia ny fanapahan-kevitra handroso mialoha  ny fifaninanana Asief rejionaly eto Analamangaq amin’ity taona ity. Eto aho dia manararaotra kely, hoy ity filohan’ny Asief ity, ny miarahaba ny filoham-pirenena Malagasy vaovao, Andry Nirina Rajoelina amin’ny anaran’ny Asief manontolo ka mirary ho azy hahatontosa an-tsakany sy an-davany ny andraikitra sahaniny hampivoatra ny fiainan’ny Malagasy manontolo ary anisan’izany ny sehatry ny fanatanjahantena izay namoahany velirano mazava ny hampandrosoana  azy. Maniry izahay mba ho “homme  de terrain” mahafantatra ny olana sy zava-misy marina manodidina ny fanatanjahantena Malagasy no hotendreny ho minisitra hitantana an’ity resaka spaoro Malagasy ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT